ZAVA-POANA
Mandalo foana sy zava-poana
‘Zay zava-tsoa misy eto an-tany
Raha tsisy ny fitiavana (x2)
Fahefana sy harena
Ny vola be sy voninahitra
Dia zava-poana e, dia zava poana e
Raha tsisy ny fitiavana
Fiv :
KOA MITIAVA, MIFANKATIAVA
FENOY FITIA NY FIAINANAO
AOKA HIBOBOIKA NY LOHARANO
MAMPISY AINA NY FISINAO
AZA AVELA HIDIRAN-DOZA
FANKAHALANA AO AM-POANAO
FA ZAVA-POANA E, DIA ZAVA-POANA E !
RAHA TSISY NY FITIAVANA
Dimby sy fara, toetra tsara
‘Zay zava-tsoa misy eto an-tany
Raha tsisy ny fitiavana (x2)
Hatsarana sy ny tanàna
Raha mbola ampianao koa fahaizana
Dia zava-poana e, dia zava poana e
Raha tsisy ny fitiavana.
Fiv : ---
BESSA, Lola & Landy