Ray zanaka fanahy

nosmaillyyou 2008-11-26

Views 4

RAINAY ô!
Misaotra anao izahay nahary anay
Fa asan-tànanao izao rehetra izao
Namboarinao izahay ho toa anao
He hosana asandratray
Ho anao ry RAY
Nohon'ny fiahianao anay
Ny fahasoavanao tsy miova hatramizay
Ka hatramizao

JESO ô!
He izato fitiavanao anay
Nidina ianao nefa tsy tonga hanafay
Fa maty mba hamafa ny helokay
Dera laza eram-po
Ho anao tompo ô
Izay nibaby ny hazo fijaliako
Noho izany rehetra izany dia hidera anao hatrany
Ny vavako

FANAHY ô!
Monina ao anatinay ianao
Mananatra isan'andro ka manambara anay
Ny làlana mankany amin'ny Ray
Saotra no atolotray
Ho anao fanahy
Nohon'ny fitantananao anay
Izay rehetra ahy,tena fo sy saina koa
Ho anao tokoa
Ho anao tokoa TOMPOKO

ref:
Ka ry RAY sy ZANAKA FANAHY
Izao hira izao no entinay
Midera anao mankalaza anao
Ianao ry Ray,
Ianao lay telo izay iray
Ianao irery ihany no mahay
Zay mety ho ahy ho mandrakizay
Ka tanteraho amiko
TOMPOKO

Groupe WISDOM IN MEMORY
A/C: R.F.W

Share This Video


Download

  
Report form